Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanaon’ny fianakaviana: novoizina teny amin’ny boriboritany ny fihetsika enina

Fanaon’ny fianakaviana: novoizina teny amin’ny boriboritany ny fihetsika enina

Nanomboka omaly teny amin’ny Parvis Analakely ny hetsika ho fampiroboroboana ny fihetsika fototra fanaon’ny ankohonana (PFE). Fihetsika enina amin’ny 17 mandrafitra ny fihetsika fanaon’ny ankohonana no hovoizina ho an’ny daholobe ao anatin’ny hateloana eny anivon’ny boriborintany enina eto an-dRenivohitra. Voalohany ny fampinonoana tsy misy fangarony ny zaza vao teraka hatramin’ny enim-bolana, ny famitana ny vaksiny rehetra mialoha ny faherintaon’ny zaza hiarovana azy amin’ny aretina, fanomezana sakafo maroloko ny ankizy, fanasana tanana amin’ny savony, fitazonana ny ankizy any an-dakilasy hatramin’ny kilasy T5, fiarovana ny ankizy amin’ny herisetra sy ny fampanambadiana aloha loatra .

Fihetsika tsotra tsy andaniam-bola ary azo tanterahina any an-tokantrano ireo fa mila raisin’ny isan-tokantrano ka ho lasa fahazarana hiarovana ny ankizy amin’ny androm-pahavelomana, hoy ny solontenan’ny Unicef eto amintsika, i Michel Saint-Lot. Izay no antony hitetezana ny boriborintany enina sy hivoizana ireo fihetsika fototra enina ireo isaky ny fijanonana amin’ireo boriborintany. “Tanjona ny hametraka fihetsika ho fomba mahazatra eny anivon’ny fianakaviana nefa mitondra tombontsoa, indrindra ho an’ny ankizy”, hoy ny tale misahana ny fahasalamana sy ny fiarovana ny tanora ao amin’ny minisiteran’ny Tanora, Rakotoseheno Noro Haingo. Minisitera fito sy ny Unicef, mpitondra ara-drazana sy ara-pinoana, ny fiaramonim-pirenena, fikambanan’ny mpanao gazety vehivavy, ny mpanazatra ny ekipam-pirenena amin’ny baolina kitra, i Dupuis samy niara-nanaiky sy nanao sonia fa hivoy ny fihetsika fototra fanaon’ny fianakaviana.

Vonjy A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique