Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Betroka: disadisa niafara tamin’ny tsatok’antsy sy fahafatesana

Betroka: disadisa niafara tamin’ny tsatok’antsy sy fahafatesana

Maty vokatry ny tsatok’antsy tao ambany heliny, nataon’ny namany azy, ny lehilahy iray rehefa tsy nahazaka ny resaka nifanaovany.

Lehilahy iray  sahabo ho 37 taona no maty notsatohin’ny namany antsy tao Betroka, ny alakamisy hifoha zoma teo. Nambaran’ny loharanom-baovao fa vokatry ny tsatok’antsy teo ambany heliny havia no nahazo ny lehilahy ka maty teo no ho eo izy. Fantatra tamin’izany fa mpiray vodirindrina aminy ihany ilay nahavanon-doza, nitsoaka avy hatrany izy vantany vao vitany ny asa ratsiny. Raha natao anefa ny fikarohana ilay olon-dratsy, saron’ny zandary tao amin’ny fokontany Ambararata, kaominina Naninora, miala 7km an’i Betroka izy, ny zoma teo tokony ho tamin’ny 10 ora maraina.

Namana mpamadika

Mpinamana hatry ny ela izy roa lahy ary mpiray vodirindrina ka niaraka nisotro toaka, ny alakamisy hariva. « Rehefa samy mamo ny an-daniny sy ny an-kilany dia nanomboka nisy ny resaka tsy nifankahazo, teo no nitarika ny adin’izy roa lahy”, hoy ny Lietna Yves Marcel, nanazava ny zava-nisy.  Tsy nahazaka ny disadisa anefa ny iray ka niafara tamin’ny fanindronany antsy ny namany, izay nitarika fahatesan’ity farany. Tranga niseho teo imason’ny renin’ilay niharam-boina. Fantatra fa mbola nialana nenina teny amin’ny hopitaly teny an-toerana ilay niaharam-boina, saingy tsy tana ny ainy. Nambaran’ny zandary misahana ny famotorana fa tsy  vao sambany ny lehilahy no nahavita namono olona, saingy tafa-poritsaka foana, ary tranga fanintelony nataony io nahatrarana azy io. Nohamafisiny tamin’izany fa teo am-panomanana ny fitsoahany indray izy izao tratra izao, taorian’ny fampitam-baovao avy amin’ny manodidina. Fantatra fa hatolotra ny fampanoavana ilay voalaza fa nahavanon-doza aorian’ny fanadihadiana mahakasika azy.

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.