Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antananarivo Renivohitra-  Feno  ny voka-pifidianana: efa any amin’ny fandresena tanteraka ny kandidà A. Naina

Antananarivo Renivohitra-  Feno  ny voka-pifidianana: efa any amin’ny fandresena tanteraka ny kandidà A. Naina

Tsy azo ihodivirana  intsony. Mitarika amin’ny voka-pifidianana raha ny fironana feno, omaly alina  ny kandidà Andriantsitohaina Naina, amin’ny  fifidianana ben’ny Tanàna eto Antananarivo  Renivohitra. Tsy nisy fiovana firy intsony ny vokatra, hatramin’ny faran’ny  herinandro teo ary mitondra ny fandresen’ny kandidà  laharana fahefatra  izany.  Feno tanteraka ny voka-pifidianana  amin’ireo birao fandatsaham-bato, 1 202 amin’ny 1 202.  Nahazo ny salanisa  maherin’ny 48% ny kandidàn’ny  IRK, Andriantsitohaina Naina raha 45,42% kosa ny an’ny  kandidàn’ny Tim,  Randriamasinoro Ny Riana. Any amin’ny laharana fahatelo ny kandidàn’ny APM, Rakotoarisoa Faniry  Alban, (Gangstabab),  nahazo ny isam-bato, 4,45%.  Any amin’ny laharana fahefatra ny kandidà tsy miankina, Andrianjoelina Feno  Harison amin’ny  salanisa,   0,74 ary ny kandidà  laharana  voalohany avy amin’ny  tsy miankina, Ralaiarimanana  Eliace nibata ny isam-bato, 0,42%.

Na izany aza anefa, tompon’ny  teny farany  ny eo anivon’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf)  amin’ny famoahana ny voka-pifidianana ofisialy.

Synèse  R. 

Les commentaires sont fermées.