Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

67 Ha: sarona ireo mpisoloky vovo-bolamena hosoka

67 Ha: sarona ireo mpisoloky vovo-bolamena hosoka

Lehilahy miisa roa, 21 sy 22 taona no voasambotry ny polisy avy etsy 67ha, ny alakamisy teo teny amin’ny Vatobe rehefa avy nisoloky vehivavy iray tamina vovo-bolamena hosoka. Araka ny nambaran’ny loharanom-baovao, nandeha an-tongotra ilay vehivavy no narahin’izy ireo, ny tolakandro manodidina ny tamin’ny 03 ora ary teny am-pandehanana no nisongona azy ny iray tamin’izy telo lahy, nanao ny fihetsika rehetra hisarihana ilay vehivavy. Tamin’izany indrindra, mody  nahita fonosana kely nisy vola 5000Ar sy valopy ilay lehilahy iray, izay nahasarika ilay vehivavy.  Nohamafisin’ny loharanom-baovao fa nosokafan’ireo mpisoloky ilay valopy ka taratasy iray sy valopy milaza fa misy volamena 40 grama natao ho anao ny tao ka amidio 100.000Ar ny grama. Nilaza anefa ny lehilahy fa tsy afaka ny hitazona ilay volamena ka amidiny, ary nanatona azy ny namany, mpiray tsikombakomba aminy, izay nilaza fa vonona  ny hividy ny ampahany. Tapaka nandritra ny resak’izy ireo fa homena ilay vehivavy ny 20g ary omena  ny hafa ny ambiny amin’ny vidiny 300.000Ar avy. Taorian’izay, nomen’ilay vehivavy vola mitentina 250.000Ar ireo mpisoloky. Fotoana fohy taorian’izay vao tsikariny fa volamena hosoka ny azony. Niantso ny polisy ilay vehivavy ka natao ny fikarohana rehetra ary hita ireo lehilahy roa mpiray tsikombakomba.

 

H.H.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique