Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina – Fitsipahana voka-pifidianana: miketrika hetsika an-dalambe Ratsiraka Roland…

Andran-tsira, ny omaly. Nanao be fiavy tonga tetsy anoloan’ny SRMV, lapan’ny Tanàna Toamasina ny mpomba ny kandidà  Ratsiraka Roland  sy i Tody Arnaud. Nanao hetsika “sit-in”  izy ireo. Mety hitarika hetsika fanoherana ny voka-pifidianana izy ireo, anio, araka ny loharanom-baovao. Etsy an-daniny, nilaza ny tsy hilefitra amin’ny mety ho endrika fanakorotanana sy fihoaram-pefy ny prefet-n’ i Toamasina, i Benandrasana Cyril. Nomena baiko avy hatrany ny Emmo/Reg hisambotra ireo mikasa hanakorontana.

Tsiahivina fa mitarika amin’ny voka-pifidianana vonjimaika ny kandidàn’ny IRK, i Nantenaina. Nahazo ny 37% ny tenany raha 27% kosa ny an’ny MTS, Ratsiraka Roland. Fahatelo, nahazo ny isam-bato 21% ny tsy  miankina, i Tody Arnaud. Mbola mitarika eo amin’ny lisitry ny mpanolotsaina kosa  ny avy amin’ny MTS, Andrianarison Odilon, 36%  raha faharoa ny IRK, Rasoanantenaina Clotilde, nibata ny 35%. Nahazo ny 27%  mahery ny kandidà mpanolotsaina tsy miankina miaraka amin’i Tody  Arnuad.

Midika izany fa hafampana i Toamasina, anio ?

Sajo sy Synèse R.

Les commentaires sont fermées.