Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fironanana vonjimaika: mitarika  hatrany amin’ny voka-pifidianana ny kandidà A. Naina

Fironanana vonjimaika: mitarika  hatrany amin’ny voka-pifidianana ny kandidà A. Naina

Fanambarana ny voka-pifidianana vonjimaika sy ofisialy sisa. Mitarika hatrany  ary tombanana tsy hisy fiovana intsony ho eo  amin’ny toeran’ny  ben’ny Tanàna ny kandidàn’ny  IRK,  Andriantsitohaina  Naina, amin’ny fifidianana eto Antananarivo Renivohitra. Nahazo ny salanisa 48, 80%  ity  kandidà laharana  fahefatra  ity raha ny fironana vonjimaika, navoakan’ny Ceni, omaly tamin’ny 4 ora sy fahefany  hariva. Efa madiva ho vita ny fanisam-bato na efa vita izao maraina izao raha  tsy misy ny fiovana.  Nahazo  ny isam-bato 45, 57 %  kosa  ny kandidàn’ny Tim, Randriamasinoro Ny Riana, laharana  faharoa amin’ny biletà tokana. Eo amin’ny laharana  fahatelo ny kandidàn’ny APM, Rakotoarisoa Faniry Alban (Babà-Ganstabab). Nahazo ny salanisa 4,47% raha 0,74 ny  vato azon’Andrianjoelina Feno. R.  Eliace, kandidà laharana  voalohany nahazo  ny 0,43%. Nahazoana ireo voka-pifidianana ireo ny birao fandatsaham-bato,  1 173  amin’ireo 1 202 eto  Antananarivo Renivohitra. Voakirakira kosa ny 1 050.

Mitarika  ny mpanolontsaina Tim

Ho an’ny mpanolotsaina kosa, tery ny elanelan’ny vato azon’ny IRK  sy ny Tim. Mitarika ny  avy amin’ny Tim, Randrianary Roberto. Nahazo 45,51%  raha 45,03%  kosa ny  avy amin’ny IRK, Raharinirina Clemence. Mety hahatafiditra mpanolotsaina ny tsy miankina, Ralambomahay  Toavina,  nahazo ny 5,51%. Manodidina  ny 22%  eo ho eo  kosa  ny taham-pahivitrihan’ny mpifidy ho  an’Antananarivo Renivohitra.

Ho an’ny any Toliary I indray, mitarika vonjimaika ny kandidà ben’ny Tanàna avy amin’ny IRK, i Dede Sidison Vita. Nahazo ny 46% raha manaraka  akaiky azy eo ny  tsy miankina, Ratsimbazafy Romeo amin’ny salanisa, 37%.  Any amin’ny fahatelo ny laharan’ny Tim.

Tsiahivina fa fironana vonjimaika ihany  ireo voka-pifidianana  ireo.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.