Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toetry ny andro: tangoron-drahona ahina hivadika ho rivodoza

Toetry ny andro: tangoron-drahona ahina hivadika ho rivodoza

Misy tangoron-drahona arahi-maso ao avaratr’i Madagasikara ka miteraka orambaratra mitsitokotoko. “Amin’izao fotoana izao, tsy mbola misy ny fiforonany ho rivodoza fa raha araka ny fandalinana natao, ambony ny herijikany mety hivadihany ho rivodoza any amin’ny faran’ny herinandro na amin’ny fiandohan’ny herinandro vaovao”, hoy ny fanazavan’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro, omaly.

Hatreto, mbola manjavozavo ny lalany ka tsy mbola azo faritana aloha na hiditra eto amintsika na tsia izany rivodoza izany. Iangaviana, araka izany, ny mponina amin’ny faritra avaratry ny Nosy hanaraka tsy tapaka ny vaovao mikasika ny mety ho toetry ny andro. Etsy andaniny, iangaviana koa ny mpampiasa ranomasina manomboka ao Besalampy hatrany Antsiranana ary Antsiranana hatrany Antalaha hihaino vaovao mikasika ny toetry ny andro manomboka amin’ny faran’ny herinandro izao amin’ny fivoaran’ity tangoron-drahona ity.

Raha ny tokony ho izy, any amin’ny tapaky ny volana desambra any ho any vao misy fiforonana rivodoza miainga avy aty amin’ny ranomasina Indianina ka ahina hikasika ny tapany avaratra. Noho ny hafanan’ny ranomasina izay mahatratra 31° na 32 °C any avaratra, mety hisy ny fiforonana rivodoza.

Ho maina eto afovoan-tany, anio

Ho an’ny anio, ny maraina, hahazo orana tandrifin-drahona ny morontsiraky ny faritra Boeny sy i Melaky, Analanjirofo, i Toamasina. Handrahona kosa any Sava, ny any Alaotra Mangoro, ny any Atsinanana, ny eto Analamanga ary ny ilany atsinanan’Itasy, i Vakinankaratra, Amoron’i Mania, i Matsiatra Ambony, i Vatovavy-Fitovinany, Atsimo Atsinanana.
Ny hariva, hisy orana tandrifin-drahona, indrindra ny alina, manodidina an’i Mampikony, i Port Bergé, i Marovoay, Ambato Boeny, i Maevatanàna. Ahitana orana koa any Nosy Be, ny any Sambirano, ary ny atitanin’i Menabe, i Melaky, Atsimo Andrefana sy ny ilany atsinanan’i Matsiatra Ambony sy Ihorombe. Halefaka ny orana any Sambava, any Antalaha, any Analanjirofo, any Toamasina.
Momba ny maripana, 15°C ny ambany indrindra hiseho any Vakinakaratra raha 35°C  ny mafana indrindra ho tsapa any Antsohihy, any Maevatanàna, any Morondava ary any Toliara.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.