Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lamaody: mivelatra hatrany ny « Modus Mode »

Lamaody: mivelatra hatrany ny « Modus Mode »

Ny 2 desambra ka hatramin’ny 7 desambra izao, hotontosaina etsy amin’ny AFT Andavamamba ny « Modus Mode » andiany fahatelo karakarain’ny Agence Totem. Hetsika fampahafantarana ny asa rehetra eo amin’ny tontolon’ny lamaody. Mivelatra kokoa raha oharina amin’ireo andiany teo aloha izy ity. Manamafy izany ny fisian’ny fandaharam-potoana toy ny varotra fampirantiana, ny filatroana, ny fampianarana sy ny atrikasa (stylisme, relooking, mannequin, photographie), sns. Eo indrindra koa ny fisian’ny « Soirée de gala » ny zoma 6 desambra manomboka amin’ny 7 ora hariva, ahitana ny filatroana sy ny fifaninanana isan-karazany, ny « shooting live », sns. Fantatra fa amin’ny taona ho avy, hoentina mitety ny faritany enina ny « Modus Mode ». Tanjona ny hampanaraka fenitra sy ny haha matihanina ny mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny lamaody.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.