Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Mbola midongy ny vahoaka

Diso aloha ny fiheverana fa efa niverina niombona tamin’ny pôlitika ny vahoaka. Ny taham-pahavitrihana ambany dia ambany dia mitory fa tsy mbola niverina ny fahatokisan’ny olona ny politika momba ny famerenana ny rariny sy ny fahadiovana eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena sy ny fiainam-bahoaka. Tsy ny fisehoan’ny famiratana tamin’ny fifidianana filohampirenena no azo anantenana ny fahataperan’ny fangalapiery ataon’ny vahoaka amin’ny fanaovana pôlitika noho ny hatezerany amin’ny mpilalao pôlitika. Tsy vitan’ny fanaovana fanjakazakana fa manao rahosi-jamba sy sangodim-panina amin’ny fanodinkodinana vola sy fananam-bahoaka.

Leom-boan’anana ny mponina ka tsy tia zava-boribory. Ahoana tokoa moa no hiverenan’ny olona hanome fitokisana raha mbola am-bava fotsiny ny fanomezana fanantenana, fa etsy andaniny mbola mamaivay ny onjan’ny fahasahiranana sady maro karazany no maro lafiny ?

Sodoka ihany angamba ny mpanara-maso sy ny mpanao pôlitika ka samy varimbarina dia nihevitra avokoa fa resy lahatra ny olona nandritra ny fotoana fampielezan-kevitra ary hifanosika handatsa-bato rehefa tonga ny andro fifidianana. Tsy zaza ny vahoaka ka hanaiky ho varimbarinan’ny vatomamy fitsetsitra matsiro am-bava fa tsy mahafeno kibo. Na nifanaja olon-dehibe nifanaiky aza ny mponina sy Naina Andriantsitohaina tonga nitsidika azy, na nifakalo toky tamin’ity olona noraisiny sy nekeny ho ben’ny tanàna ity aza ny maro, mbola eo ihany ny mangirifiry ateraky ny fahantrana sy ny fahasahiranana, ka tsy hahavita ezaka hampiseho fahazotona handeha hifidy. Tsy mbola tafaverina tanteraka ny fihavanana amin’ny sehatra fanaovana pôlitika. Eo amin’izay fahatapahan’ny fihavanan’ny vahoaka amin’ny sehatra pôlitika izay no misy aretina mikiky. Asa ity fahajamben’ireo olona miseho mahiratra mandany andro sy volam-pirenena milaza azy hitondra fitsabona amin’ny fampihavanam-pirenena. Iza no rava fihavanana raha tsy ny mpanao pôlitika nirona any amin’ny firafesana sy fifankahalana rehefa tsy nahafehy tena teo amin’ny fifaninanana izay nivadika ho adilahy tena raikitra?
Mbola tsy mitovy angamba ny tadin-donkanga ahafahana miara-miredona fiovana. Ataovy mangarahara ny fanaovan-draharaha fa aza mihevitra ny vahoaka ho bado ka hino fahaizana fahagagana ny zava-tsotra izay fantatra ny fomba namokarana azy na tsy hita fototra aza. Efa nifanakalo hevitra tamin’ny mponina momba ny fomba hanatanterahany ny zavatra nanomezany toky rehefa mandray ny adidiny amin’ny maha ben’ny tanàna azy Andriamatoa Naina Andriantsitohaina.


Léo Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique