Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitaovana fampandrosoana: 150  ny kaominina manana SAC

Fitaovana fampandrosoana: 150  ny kaominina manana SAC

Kaominina 150 amin’ny 1 695 manerana ny faritra 22 no manana drafitra ifotony fanajariana ny tany (SAC) eto amintsika, araka ny fanazavan’ny mpandrindra tetikasa eo anivon’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny trano fonenana ary ny asa vaventy, Randrianasoloarimina Tiana, teny Ambatobe tamin’ity herinandro ity. Fitaovana fototra ahafahan’ny kaominina mihary sy miantso ny mpiray ombon’antoka samihafa hitondra fampandrosoana ny tanàna ny SAC rehefa voafaritra ny toerana ho an’ny fonenana, hambolena, hanorenana fotodrafitrasa samihafa. Anjaran’ny tomponandraikitry ny kaominina sy ny sehatra tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena ao aminy no mamolavola ny SAC, ary mitondra fotsiny tantsoroka ny teknisianin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany. Rehefa voavolavola ny SAC, afaka miantso mpiray ombon’antoka ny mpitantana kaominina hamatsy vola ny tetikasa hampandrosoana ny kaominina. Amin’ny kaominina 150 efa nahavita ny SAC, nanampy betsaka tamin’ny famolavolana nahatanteraka izany ny fiaraha-miasa alemà GIZ. Lalàna voasoratra sy manankery ny famolavolana ny SAC ka tsy manara-dalàna ny kaominina tsy mahavita ny azy.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.