Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Cnaps – Rakotondraibe Mamy: fiarovana sosialy ny mpiasa

Cnaps – Rakotondraibe Mamy: fiarovana sosialy ny mpiasa

Natao, omaly, ny fifamindram-pahefana eo amin’ny tale jeneraly (DG) vaovao, Rakotondraibe Mamy, ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (Cnaps), sy ny nitana ity andraikitraity voanjimaika, Rtoa Tsaboto Joslina. Nankasitraka sy nirary soa ny handimby azy Rtoa Tsaboto Joslina, hanohy ny zava-bita, nandritra ny valo volana nitazonany ity andraikitra lehibe ity. Ho an’ny DG vaovao, mazava sady hentitra ny lahateniny. “Hametraka tontolo fiasana mendrika ny mpiasan’ny Cnaps, fitaovam-piasana sy fampiasam-bola sahaza, fankasitrahana sy fifanajan’ny samy mpiasa. Hampiroboroboana koa ny fahaizan’ny mpiasa, arakaraka ny asa ataony avy. Ary tena lehibe indrindra ny fiarovana sosialy ho an’ny mpiasa malagasy rehetra tokony hisitraka izany, toy ny fanohizan’ny asan’ny vaomiera Task Force.

Anisan’ny andraikitra hosahaniny voalohany ny fiatrehana ny fivoriambe iraisam-pirenena mikasika ny fiahiana sosialy aty Afrika (Cipres), hatao eto Madagasikara ny 10 hatramin’ny 12 desambra ho avy izao. Hatao amin’izany ny filakevitry ny minisitry ny Cipres, handraisan’ny tale jeneralin’ny sampandraharaha misahana ny fiahiana sosialin’ireo firenena 17 mpikambana.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.