Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Arahaba nanefa andraikitra ! Samy vita

Iombonana izay lanin’ny maro an’isa tamin’iny fifidianana omaly iny. Na efa hita soritra aza ny mety ho vokatra tamin’izany ary efa azo antoka hoe iza no ho ben’ny tanàna eto Antananarivo, dia samy liana avokoa ny rehetra ho an’ny fanambarana ny vokatra vonjimaika avy amin’ny Ceni eo am-piandrasana ny vokatra famaranana rehefa tapitra ny fitsarana izay olana nitranga ka nampakarina eny amin’ny Fitsarana. Samy nanana solontena nanara-maso ny fanisana natao araky ny fepetra ny kandida rehetra, samy nanao kajy araky ny vokatra nampitain’ireo solontenany avy isaky ny biraom-pifidianana, noho izany tsy miafina ny anaran’izay ho lany ka efa miarahaba izay heverina ho lany ireo mpiray dia aminy na noho ny fanajana lalàna aza dia tsy mandihy tsy afa-tavony.

Araky ny fisehoan’ny tarehin’ny isa teo am-panisana ampahibemaso ny vokatra, tsapa mazava ny fanilan’ ny safidin’ny maro nitambatra nanondro anaran’olona iray teo Antananarivo ka an-karavoana no nandraisan’ny mponina io vokatra io, velom-panantenana indray ny vahoaka fa ilay olona nampiseho fahazotoana nihaona tamin’ny olona teny anivon’ny fonenany tsirairay ka nandroso vahaolana ho fanamaivanana ireo fahasahiranana maro karazana mianjady amin’ny vahoaka.
Samy manana ny fomba fitazanany azy, samy maika avokoa ny fitondrana sedra ary misy aza asa fanarenana na fametrahana rafitra vaovao mihitsy tsy niandrasany ny fifidianana dia efa noraisin’io olona io an-tànana ny fanombohana sy fiantohana ny asa. Iza moa ny olona anaterana soa ao an-tànanany ka tsy hampiseho hafaliana izay mety hitrangana fahapendimpendenana ? Na eo aza anefa ny fahataitairana sy fahamaikana, iaraha-mahafantatra fa tsy ho vita indray andro daholo ireo zava-maro tsy maintsy ierehana. Efa voalaza fa tsy misy ny tsy maika amin’izy ireo, nefa tsy hita hosambosamborina anaovana vonjy maika sy peta-toko isan-karazany izao. Teo am-panomezan-toky momba ny fanatanterahana ny zavatra nanaovany fampanantenana efa nanambara moa Andriamatoa Naina Andriantsitohaina fa manara-penitra sy araka izay tokony hampateza azy no hanaovana ny asa, noho izany tsy maintsy misy ny fandaharana ny mahamehana sy ny lamina fanaovan-draharaha. Izay moa manaraka ny voalaza ao amin’ny fahendrena tononin’ny fitenenana hoe «mahandry tantana». Na izany aza dia tsy hisy fitsaharana ny asa raha tiana ho tanteraka daholo ao anatin’ny fe-potoana araky ny voafetran’ny lalàna ireo zava-drehetra nifanomezana toky. Mahaleova mahalasana ho soa ho an’Iarivo sy ny mponiny Andriamatoa Ben’ny Tanàna.


Léo Raz           

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique