Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: aza fady amin’ny rehetra maika fa amin’ny olom-pady

Raha hiresaka fanamelohana zavatra manota fady dia miala tsiny miala fondro raha voatery hanonona mivantana ilay antony anaovana tsikera na hiezaka araka izay tratra aza mba tsy handratra ny sofin’ny mpianakavy.

Famonoam-bady no anton-dresaka, raha famonom-bady no teny ifehezana ny setrasetra isan-karazany na am-bava izany na daroka totohondry aman-daka, na tonga hatrany amin’ny fifofona aina amin’ny fisehoana fiverenana amin’ny maha biby fotsiny, eo amin’ny ankamaron’ny fisehoan’ny famonoam-bady dia i ramatoa no sorona ary i rangahy no biby. Mitovitovy isaky ny tokantrano zato ny salanisan’ny fitrangana famonom-bady eto amin’ny nosy sy any ivelany, tsy afaka nanivaiva toy ny fahazarany ireo vahiny mitaiza toe-tsaina fanjanahana amin’ny fanambanimbaniana ny mponina ivahiniany. Na izany aza, tsy ny fanehoana kilema amin’ny sasany no ahafahana manala tena amin’ny andraikitra noho ny fanefana heloka. Bitsitsika tsy mipika any amin’ny sofina vahiny, mety eto amin’ny nosy ho vitsy noho ny any ivelany ny tahan’ny fanaperan’aina efain’ny mpamono vady, sandan’izay anefa, angamba isika no anisan’ny voalohany amin’ny mponina eto an-tany amin’ity fanompany reny ity. Ho an’ny olona maro, lasa toy ny fipitiky ny rora ny fisesik’izany ompa izany avy ao am-bavany. Tsy vazivazy fa tena mahalasa saina ny fahazaran’ny sofina, na ankizy izany na zokiolona, na vehivavy na lehilahy, na miseho ho tsy kasihan-dalitra na malotoloto ny lamba tafiany, tsy taitra tsy madilo nefa samy mahalala daholo ny ompa fonosin’ny sioka, kilaxao-na fiara na fipepehana fotsiny ka manako «ti-ti-tin–tihy» na «ta-ta-tan–taha».
Rehefa mandinika izay «kiririoka» iarahan’ny rehetra mitsikombakomba amin’ny fiaretana azy mody tsy maheno ankitsirano izao, dia menatra ihany, fiarahamonina mitampo-tsofina amin’ny fiforetana manoloan’ny ratsy. Dia teny aza tsy hay manohitra mainka izany fa fitaovam-piadiana mahery vaika, nefa samy miady hiseho ho mpivavaka sy hilaza fahavononana hijoro vavolombelon’ny Andriamanitra ivavahany.  Io anie porofo fa na ambava aza mitory ny fomba andavan’andro eto an-toerana amin’ny tsy fanajana vehivavy, reny avy aza voavetaveta tsy asiana hasiny. Toy ny ady tsy maintsy atao amin’ny fampielezana sy fanarina fako tsy manaraka fepetra, ny ady amin’ny toetra maloto miseho eny an-kalamanjana, na avy amin’ny tànana diso fitsapa na avy amin’ny vava nivilana fiteny.


Léo Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique