
Nofaranana, ny faran’ny herinandro teo, tamin’ny lamesa tao amin’ny Institution Sainte Famille, Mahamasina, ny fankalazana ny faha-300 taona nandaozan’ny Md Jean Baptiste de la Salle ny tany, ny 14 avrily 1719. Iombonana maneran-tany io fankalazana io amina firenena 97 misy ny fikambanan’ny Frera des écoles chrétiennes (Lasalianina). Teny filamatra ny hoe « Iray fo, iray andraikitra, iray aina ». Miaraka amin’izany eto Madagasikara, ny faha-100 taona nandaozan’ny Fr Rafiringa Louis Rapahël ny tany sy ny faha-10 taona nanandratana azy ho olontsambatra.
Nanazava ny iraka ampanaovin’ny fiangonana azy ny fikambanana, notarihin’ny Fr visiteur, lehiben’ny fikambanana, Rabarone Mamy Olivier, sy ireo mpiara-miasa aminy, relijiozy sy laika. Fototry ny iraka ny fanabeazana sy ny fampianarana. Niditra eto Madagasikara ny fikambanana, ny 24 novambra 1866 ka hatramin’izao. Any avaratra ka hatrany atsimo, ahitana sekoly lasalianina, misy mpianatra anarivony maro sy mpampianatra, nahazo fiofanana samihafa.
Tsara ny vokatra bacc
Tsara ny voka-panadinana bacc tamin’ity taona ity, anisan’ny voalohany hatrany ny sekolin’ny Frera des Ecoles chrétiennes. Tsy latsaky ny 83 % ny taham-pahafahana. Voalohany manerana ny Nosy ny sampana teknika, “fabrication mécanique” ao amin’ny Sainte Famille, 100 % ny taham-pahafahana.
“Misy ny mampifandray ny fanabeazana sy ny fampianarana katolika, araka ny rafitra napetraka: ny Dinec, manerana ny Nosy, sy ny Didec, isaky ny diosezy”, hoy ny talen’ny Sainte Famille, ny Fr Zo Michel. Tsy vitsy ny sekoly katolika misokatra any ambanivohitra lavitra, mandray ireo ankizy avy amin’ny fianakaviana sahirana. Namaranana izao fotoana faha-300 taona izao ny fampisehoana lehibe nataon’ny tarika Ny Ainga, maintimolalin’ny Lasalianina, omaly tolakandro, tao amin’ny Sainte Famille sy fisarihana loka tombola.
R.Mathieu
Les commentaires sont fermées.