Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy mila fandaharanasa tsotra…              

Tsy mila fandaharanasa tsotra…              

Misy, rey olona, ny mihevitra ny vahoaka ifotony ho zazabodo na bado amin’izao fifidianana kaominaly izao? Eny, na eto Antananarivo Renivohitra aza. Misy kandidà ho ben’ny Tanàna no milaza fa tsotra, hono, ny fandaharanasany. Tsotra am-pitenenana fa sarotra tanterahina na tsy hotanterahina.

Tsy efa notsotsorina toy izany ve ny raharaha tamin’ny fifidianana kaominaly farany teo hoe hampiakatra ny fari-piainan’ny mponina, ohatra? Hanadio ny tanàna, hanala ny fitohanan’ny fifamoivoizana… Inona no eo? Miara-mahita ny rehetra fa ratsy no ho ny teo izay hita sy  iainana: ady lava…

Tsy inona fa teo ny fifanenjanana sy fifanenjehana lava amin’ny mpivarotra amoron-dalana; farany, valaka ihany. Nisy aza ny famaritana ny sisin’arabe ho an’ny mpivarotra. Izany no inona? Ady tsy mety ho vita sy tsy mazava koa, ohatra, ny fandoavana saram-piantsonan’ny fiara etsy sy eroa.

Mbola ady lava sy fifanilihana andraikitra hatrany koa, ohatra, ny amin’ny fanadiovana ny tanàna amin’ny fitobian’ny fako eny rehetra eny. Inona no vita? Na izay niova… Eo ny vahoaka mitsara, indrindra ny amin’izay hoe fanatsarana ny fari-piainany, araka ny nampanantenaina azy.

Ny toky fitaka, fa ny vita no hita? Izany no mahatonga ny kandidà hafa sahy sy vonona manolotra fandaharanasa matotra, feno, akaiky sy ilain’ny vahoaka. Araka izay mety sy azo tanterahina tsara izany. Tsy misy fandaharanasa tsy azo tanterahina, rehefa ifarimbonan’ny rehetra.

Izay no ilàna ny fifanomezan-tanana amin’ny mpandraharaha, amin’ny tsara sitrapo, amin’ny mpiara-miombon’antoka… Miara-dalana amin’izany ny fampandraisana andraikitra ny mponina ifotony. Tsy misy olona tsy ilaina. Tsy anavahana na anilihana na iza na iza izany, na aiza na aiza.

Ampy izay ny fanagiazana ny fitantanana eo an-tanan’olom-bitsy na mpiray antoko? Manome vahana ho azy ny firaisana tsikombakomba, ny kiantranoantrano, ny fitadiavan-tombontsoa manokana. Izay no tsy nampandroso izay ela izay amin-javatra tsotsotra? Eo ny vahoaka hitsara amin’ny fifidianana…

Rafaly Nd. 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique