Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Hatolotra ny fampanoavana, anio, ny mpiara-miasa iray amin’i Jo Willy, ilay mpandraharaha tompon’ny orinasa “Sourc’in”.  namoahan’ny polisy didy fikarohana, noho izy voarohirohy amina raharaha fisolokiana avo lenta. Fantatra izao fa mitohy hatrany ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana momba ity raharaha ity ka niainga avy amin’izany no nahasamborana ity mpiara-mpiasa akaiky amin’ny mpandraharaha ity. Nosamborina teny an-tranony eny Faravohitra ity mpiara-miasa aminy ity, ny alarobia teo. Isan’ireo mpandray volan’ireo mpanjifa ary mpanao sonia ny faktiora ny asan’ity lehilahy ity. Mpiray tsikombakomba amin’ilay mpandraharaha, araka ny fanazavana, ity lehilahy ity. Anjatony ireo olona voasolokin’ity mpandraharaha ity. Manaraka akaiky ity raharaha “Sourc’in” ity ny Fitsarana.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique