Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sadc: ampiroboroboana ny fambolena

Atao eto Antananarivo, omaly sy anio, ny fivoriana fanombohana ny Fandaharanasa hanatanterahana ny Politikam-paritra mikasika ny fambolena sy ny fiompiana (PRA) ato anatin’ny tsenam-paritra Sadc. Mikarakara azy ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny sakafo sy ny fambolena (FAO) miara-miombon’antoka amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Maep).

Tanjon’ny PRA ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasan’ny firenena mpikambana ao amin’ny Sadc amin’ny lafiny fambolena sy ny fiompiana. Ao anatin’izany ny fampitomboana ny vokatra, ny fisian’ny fifaninanana mazava amin’ny varotra, ny fampiasana maharitra ny harena voajanahary sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Hanatanterahana izany ny fanatsarana ny fifanakalozam-baovao mikasika ny famokarana, ny fandraisana fanapahan-kevitra miainga amin’ny tena zava-misy. Hatsaraina ny tontolon’ny tsena, ny ady amin’ny aretina mpahazo ny vokatra sy ny biby fiompy, sns. Hamoraina fanatanterahana ny paikadim-paritra amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ho an’ny firenena mpikambana.

Njaka A.

 

Les commentaires sont fermées.