Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

GAMMA – Tompondaka eran-tany: nandrombaka medaly alimo i Tsinjo

GAMMA – Tompondaka eran-tany: nandrombaka medaly alimo i Tsinjo

 

Tsara ny vokatra ho an’ny solontena malagasy, niatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany GAMMA (Global Association of Mixed Martial Arts), tany Singapour. Nandrombaka ny medaly alimo Rakotomaria Tsinjo (-65,8 kg).

Nanana herijika sy tanja-tsaina hatrany am-piandohan’ny fifaninanana i Tsinjo ary nampiseho fahavononana tanteraka, na dia hita ho mafy aza ny mpifanandrina taminy. Mbola nisy ihany anefa ny traikefa tsy ampy ka tafajanona hatreo amin’ny lalao manasa-dalana ny tovolahy. Fifanandrinana nihaonany tamin’ilay teratany ukraine, i Lutskiv Nazar. Ity farany izay nisalotra ny anaram-boninahitra, teo amin’ny ady famaranana. Somary nisy tsy filaminana kely teo amin’ny lafiny fitsarana, raha ny nambaran-dRakotonindriana Parfait, saingy tsy nahakivy izany satria efa tsara ny vitan’i Tsinjo.

Raha hiverenana ny fifanintsanana, tena fahombiazana tanteraka ny ady nataon’ity solontena malagasy ity, nandritra ny andron’ny fifanintsanana, ny alarobia lasa teo. Nandravarava mihitsy i Tsinjo, teo amin’ny ampahavalon-dalana sy ampahefa-dalana, nanoloana ny teratany Irlandais sy Tiorka.

Tsara ny manamarika fa Rakotomaria Tsinjo, latsaky ny 65,8 kg irery, no nisolo tena an’i Madagasikara, tamin’ity fiadiana ny tompondaka eran-tany tany Singapour ity ary izao nitondra avo ny voninahi-pirenena izao. Mendri-piderana ny zava-bitany satria fifaninanana avo lenta no nahazoany medaly. Tsiahivina, nifarana omaly ny fifaninanana ary ny alahady ho avy izao no higadona eto an-tanindrazana Rakotomaria Tsinjo, hiaraka amin’ny vokatra tsara.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.