Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsipy kanetibe – «Mondiaux Junior / Dame»: voalohany teo amin’ny “tir de precision” i Arotiana

Ny fifaninanana mitifitra “tir de precision” no nanombohana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja tsipy kanetibe, ho an’ny sokajy “junior” zazalahy sy “senior” vehivavy. Fifaninanana tanterahina any Cambodge. Nisongadina teo amin’ny “junior” i Arotiana, nahazo ny laharana voalohany, teo amin’ny dingana voalohany. Nahazo isa 44 izy, tamin’izany. Nanaraka azy teo amin’ny laharana faharoa ilay Monegaska, i Buche Jean Philippe, ary fahatelo ilay Italianina, i Caporgno Davide.

Voatery hiatrika ny famerenana kosa na ny “repêchage” i Nirina, teo amin’ny vehivavy. Tany amin’ny laharana faha-14 mantsy izy ary tsy nahazo afa-tsy isa 25 monja. Anio no hanaovany io famerenana io. Amin’ity alarobia ity ihany koa ny hanomboka ny fifaninanana ho an’ny olon-telo miaraka ka hidona amin’i Etazonia ny Malagasy eo amin’ny “junior”. I Polonina kosa no hifanandrina amin’i Madagasikara, eo amin’ny vehivavy.

 

Tompondaka

 

 

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique