Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taom-piotazana 2019: vitsy ny mpanangom-bokatra letisia

Tsara ny vokatra letisia amin’ny ankapobeny amin’ity taona 2019 ity aty amin’ny faritra Atsinanana sy ny faritra Analanjirofo. Voamarin’ny minisitry ny Varotra sy ny fanjifana, Rtoa Rakotomalala Lantosoa, sy ny Vondron’ny mpanondrana letisia (Gel), izany, nandritra ny fisokafan’ny taom-piotazana, ny 19 novambra teo teto Toamasina.

Etsy ankilany anefa, vitsy ny mpanangom-bokatra tonga any ambanivohitra ka sahirana ny tantsaha mpamokatra. Nambaran’izy ireo fa antony roa ny mahatonga izany. Tsy ampy ny fiara mpanangom-bokatra avy any Antananarivo mitatitra aty Toamasina satria maro ireo maty antoka tamin’ny herintaona ka tsy sahy intsony tamin’ity taona ity. Faharoa, nahaheno ireo mpanangom-bokatra fa nahena 10% ny fatran’ny haondrana any ivelany amin’ity taom-pitozana ity raha oharina ny tamin’ny taon-dasa. Tsara anefa ny kalitaon’ny leitsia satria ampy tsara ny orana ka vaventy sady mamy.

Sajo sy Njaka A.

 

 

Les commentaires sont fermées.