Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Taly sy fisalotra malagasy”: Ranty maneho ny taovolo sy ny fitafy nentim-paharazana

“Taly sy fisalotra malagasy”: Ranty maneho ny taovolo sy ny fitafy nentim-paharazana

Toy ny ahoana ny lamaodin’ny vehivavy fahiny? Hahazo valiny mahafapo izay liana amin’izany, raha mitsidika ny fampirantiana etsy amin’ny City Art, ao amin’ny La City Ivandry amin’izao fotoana izao. “Taly sy fisalotra malagasy” ny lohahevitra, ahitana sary maherin’ny 40 haranty ao. Tazana ao ny karazan-drandrana sy ny taovolo mampiavaka ny isam-paritra sy ny foko eto Madagasikara. Manana ny heviny manokana isaky ny vanim-potoana sy ny tranga miseho teo amin’ny fiarahamonina izy ireny, asongadin’ny sary.
Hahafantarana ny karazan-damba sy ny nampiasain’ny Malagasy tamin’izany fotoana izany ihany koa ny fampirantiana. Nisy ireo fitena andavanandro sy ireo notafina tamina vanim-potoana miavaka.
Tsy maneho ny taovolo sy ny fitafy taloha fotsiny fa maneho ihany koa ny fivoaran’ny saripika ny fampirantiana. Marihina fa sarin’ny Agence National Taratra (Anta), notsoingaina tamin’ireo 400 000 mahery tahirizina ao ireo haranty ireo. Anisan’ny andraikitry ny Anta ny fampahafantarana ny tantaran’i Madagasikara amin’ny alalan’ireo tahiriny. Fiaraha-miasa amin’ny Ofisim-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina ny hetsika “Taly sy fisalotra malagasy”.

Zo ny Aina

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique