Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Hidina hatrany ny tsindrin’ny atmosifera mandritra ity herinandro ity. Hahazo vahana, araka izany, ny hafanana sy ny orambaratra. Ny faritry ny afovoan-tany sy ny any avaratra andrefana no tena hisitraka orambaratra mandritra ny herinandro. Hiseho matetika izany ny vao maraina sy ny alina amin’ny morontsirak’i Boeny sy i Sofia.

Hisy fiatoana kely ny rotsak’orana, anio sy rahampitso, amin’ny faritra Analamanga, indrindra ny eto Antananarivo Renivohitra. Hiverina indray ny orambaratra any amin’ny faritra atsimo rehetra amin’ny fiafaran’ny herinandro.

Tsy hiova firy ny tarehimariky ny maripana ambony ka notombanana ho 27°C hatramin’ny 36°C izany. Hahitana fiakarany ny maripana ambany ary eo anelanelan’ny 17°C hatramin’ny 27°C.

Nanomboka ny alatsinainy teo ary hifarana anio ny fiofanana ho an’ny mpampianatra eny amin’ny LTP sy ny CFP miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana iandraiketan’ny INFor. Teny amin’ny LTP Alarobia no niofana ny teto amin’ny faritra Analamanga. Maro ny lohahevitra dinihina mandritra ity fiofanana ity toy ny « psychopédagogie et andragogie », ny « courants », ny “demarches”, ny “méthodes et techniques pédagogiques », ny APC, ny fampidirana ny fandraharahana. Anisan’ireo LTP sy CFP mandray anjara amin’izao fiofanana izao ny CFP Ampasampito, ny LTP Alarobia, ny CFP Antsofinondry, ny CFP Ankadinandriana, ary ny solontenan’ireo CFP tsy miankina amin’ny fanjakana avy amin’ny taranja « mécanique automobile, zaitra, taovolo, fikoloana endrika amam-bika, sns, mihoatra ny 40 isa.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique