Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Saron’ny polisy avy ao Menabe, ny zoma teo, noho ny fampiasana vola sandoka ny jiolahy iray. Nisotrosotro tamina toeram-pisotroana iray ao Tsimahavaobe Morondava ity jiolahy ity. Teo am-panolorana ny vola izy no tsikaritry ny mpivarotra fa sandoka ilay vola 20 000 Ar teny aminy. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny fanadihadian’ny polisy.

Nandalo fitsirihana ara-teknika ireo fiara miasa eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny zoma teo teny amin’ny sampandraharaha misahana ny fitsirihana fiarakodia. Izany no natao dia hijerena manokana ny mety ho tsy fahatomombanan’ny fiara ampiasain’ny polisy.

Les commentaires sont fermées.