Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Slalom – «Défi terrain synthétique»: tompondaka alohan’ny fotoana i Faniry

Slalom – «Défi terrain synthétique»: tompondaka alohan’ny fotoana i Faniry

Taorian’ny fandresena azon-dRasoamaromaka Faniry, mpanamorin’ny klioba TFM, teo amin’ny slalom «défi terrain synthètique», natao ny faran’ny herinandro lasa teo, efa mazava fa efa tompondakan’i Madagasikara, mialoha ny fotoana izy. Mbola nivoaka ho mpandresy indray mantsy i Faniry, nandritra io dingana fahenina natao teny amin’ny «circuit» Tac’s Ambohidratrimo io. Voalohany i Faniry, nitondra ny fiara Citroen C2, izay nahatontosa ny hazakazany, tao anatin’ny fe-potoana, 5 mn 33, 68 s. Faharoa ny rahalahiny, i Mika izay nahazo fe-potoana, 5 mn 38, 49 s.

Taorian’ity dingana natao ny alahady lasa teo ity, manana isa 135 izy raha 122 kosa ny an’i Mika. Mazava izany izao fa na tsy azony intsony aza ny dingana farany, amin’ity “slalom” ity, tsy ampiova zavatra intsony, eo amin’ny filaharana ankapobeny izany. Efa fandresena efatra mantsy izay ny eo am-pelatanany. “Nilalao tsara aho, tao anatin’ireo dingana roa farany, nandraisako anjara. Noho ity fandresena azoko ity, tsy misy tokony hampikoropaka ahy intsony, eo amin’ny dingana farany”, hoy i Faniry.

 

Tompondaka

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique