Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Niaraka tamin’ny ody gasy sy bala: voasambotra ny iray tamin’ireo naka an-keriny tovovavy

Niaraka tamin’ny ody gasy sy bala: voasambotra ny iray tamin’ireo naka an-keriny tovovavy

Saron’ny zandary vao maraina tao an-tranony niaraka tamin’ny ody gasy sy bala ny iray tamin’ireo naka an-keriny tovovavy tao Betroka.

Tratra vao maraina omaly niaraka tamin’ny mohara sy bala tao an-tranony tany amin’ny vohitra fiafenan’ny dahalo, antsoina hoe Beakanga, miala 20km an’Isoanala ny iray tamin’ireo jiolahy miisa valo naka an-keriny ilay tovovavy 16 taona tao Antanambao-Isoanala, faritra Betroka, ny zoma lasa teo. Nisy ny fanomezam-baovao avy amin’ny olon-tsotra ka nahafahana nisambotra ilay mpaka an-keriny ka tonga tampoka tao an-tranony ny zandary nisambotra azy, manodidina ny tamin’ny 5 ora sy sasany maraina. “Ny vadiny no namoha ny trano ka nifampiresaka tamin’ireo zandary ary nanaraka nivoaka ihany ilay mpanao takalon’aina” hoy ny zandary any an-toerana.  Tsy hita tao an-tranon’ilay lehilahy ireo vola roa tapitrisa takalon’ny famotsorana ilay tovovavy nandritra ny fisavana natao. Tamin’ny fanadihadiana azy no namantarana fa efa voazaran’ireo mpaka an-keriny ilay vola ary nandoavana ny hofana basy izay nampiasain’izy ireo nandritra ny asa ratsiny. Mitohy ny fikarohana ireo jiolahy ary efa fantatra avokoa ny toerana misy azy ireo, hoy ny zandary. Raha tsiahivina, ny harivan’ny zoma teo manodidina ny tamin’ny 8 ora sy sasany tao Antanambao no nisy naka an-keriny ilay tovovavy.               

Andapa

Hiatrika fampanoavana androany ihany koa ilay vehivavy voalaza fa nangalatra zazalahikely vao 5 andro tao Beanana, Andapa ny asabotsy teo taorian’ny nisamborana azy ofak’omaly teny an-dalana ho any Sambava. Taorian’ny famotorana no namantarana fa fianakavian’ilay renin-jaza ihany io vehivavy 30 taona, voalaza fa nangalatra ny zanany io. Raha tsiahivina, ny alahady maraina teo no niditra tao amin’ny efitra fatorian’ilay zazakely ilay ramatoa io manodidina ny tamin’ny 04 ora sy sasany ka noentiny ilay zaza; ny reniny kosa nilaza fa tsy naheno ny nangalana ilay zanany.

 

Henintsoa Hani

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique