Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fandrosoana toe-tsaina sy toe-piaina…

Fandrosoana toe-tsaina sy toe-piaina…

Ny toe-tsaina no hanovana ny zava-misy sa ny zava-misy no manova ny toe-tsaina? Resaka tian-kateza, adihevitra tsy mety ho vita. Ny tsy takona afenina: sarotra ny manova ny zava-misy amin’izao, mafy ny iovan’ny toe-tsaina. Ny tsirairay no mila manova ny toe-tsaina sy ny fomba fiainany, fa tsy misy olona azo terena amin’izany eo anivon’ny fiarahamonina sy ny fiainam-pirenena.

Mby aiza ny hoe fampandrosoana amin’izany? Tsy misy olona te hiaina ao anatin’ny fako sy ny fahalotoana, hono. Ohatra iny… Mbola azo itarina ny resaka toy ny hoe tsy misy te hiaina ao anatin’ny tabataba sy korontan-dava, tsy fisian’asa, fidangan’ny vidim-piainana, fahantrana… Nefa tena vonona sy sahy miatrika ny ady amin’izany ve ny tsirairay? Fialana amin’ny mahazatra.

Na ahoana na ahoana, manana anjara amin’ny fanovana ny fiainany aloha ny tsirairay: tena tsy manana fomba sy fotoana idiovana ve, ohatra, ireo izay heverina ho tsy afa-bela amin’ny fako sy ny fahalotoana? Eny, na izay manodidina kely azy ihany aza aloha… Toy izany koa amin’ny lafin-javatra hafa rehetra: efa mba nisy ezaka amin’izay mety ho vita sy tratran’ny tena ve aloha?

Izay ilay hoe fiovana toe-tsaina, alohan’ny iandrasana na itakiana ny fanovana avy amin’ny hafa. Tena mila fandinihan-tena, faharesen-dahatra, fahatapahan-kevitra, fahavononana, firosoana, faharetana… Te hiova tokoa ve ny tena, raha miandrandra fanovana ny zava-misy  avy amin’ny hafa na ny mpitondra, ohatra? Misy ny miandrandra fiovana sy fanovana, nefa tsy te hiova.

Mila miara-dalana ary ny fiovana sy ny fanovana  amin’ny hoe fampandrosoana, tsy vitan’ny lafin’ny materialy fotsiny fa eo koa ny maha olona. Fiteny matetika ny hoe fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo. Amin’izao fifidianana ifotony izao, anjaranay mpifidy ny mijery izay kandidà manana vina sy fandaharana hirosoana amin’ny tena fanovana sy fiovana.

Tsy efa fiovana ny fahaiza-misafidy izay tena sahy manao fanovana, tsy manavaka, sahy… ? Tsy latsak’izany ny fanaovana ho zava-dehibe sy maika ny maha olona na ny lafiny sosialy.

Rafaly Nd. 

 

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique