Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taom-piotazana 2019: hanondrana letisia 20.000 t

Taom-piotazana 2019: hanondrana letisia 20.000 t

Nanomboka omaly, alahady 17 novambra, ny taom-piotazana letisia 2019 any amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo. Toy ny isan-taona, manodidina ny 18.000 hatramin’ny 20.000 t no kendrena haondrana amin’ity taona ity.

Nisokatra ny 4 novambra teo ny birao tokana, mikarakara ny  antontan-taratasy ho an’ny mpanangom-bokatra sy ny mpandraharaha isan-tsokajiny. 150.000 Ar ny patanty reniny ary 100.000 Ar ny zanany. Arakaraka ny vesatry ny fiara kosa ny hetra ho an’ny fitaterana ny letisia, na koa ny saran’ny fijanonan’ny fiara. 130.000 Ar ho an’ny fiara milanja 500 kilao hatramin’ny 1 taonina, 160.000 Ar ho an’ny mihoatra ny 1 -3 t, 180.000 Ar ho an’ny mihoatra ny 3-6 t, 200.000 Ar ho an’ny mihoatra ny 6-10 t ary 220.000 Ar ho an’ny mihoatra ny 10 t.

Hatreto, miisa 500 ny patanty nivoaka raha 613 ny fahazoan-dalana ho mpanangom-bokatra, andoavana 5.000 Ar. Nilaza ny talem-paritry ny fampandrosoana (DDR) Atsinanana, Rasolondraibe Ralphe Antonio, fa samy nanomboka ny 17 novambra avokoa ny fitaterana sambo sy amin’ny fiaramanidina ho any ivelany. Ho sarotiny amin’ny fanaraha-maso ny fahadiovan’ny toerana fikirakirana ny letisia izy ireo. Anisan’ny miavaka ny an’ny orinasa Fruit d’Iles eny Barikadimy sy ny Rosin Export eny Ampilaolava. Misy ny mpitsabo mikarakara raha sendra misy ny mpiasa marary. Hiantohana koa ny sakafon’izy ireo.

Sajo sy Njaka A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique