Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Can 2021»: nivoaka sempotra vao nandresy 1no ho 0 ny Barea

Kitra – «Can 2021»: nivoaka sempotra vao nandresy 1no ho 0 ny Barea

Nandresy, saingy nanify ny isa azon’ny Barea de Madagascar, nanoloana ny Wylia Ibex-n’i Etiopia, teo amin’ny fifanintsanana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2021”. Sahirana ry Abel Anicet vao tafavoaka.

Nivoaka ho mpandresy, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0, nanoloana ny Wylia Ibex-n’i Etiopia, ny Barea de Madagascar, teo amin’ny lalao mandroso, fifanintsanana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra “Can 2021”. Fihaonana, notanterahina ny asabotsy 16 novambra, lasa teo, tetsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina.

Nivoaka sempotra tanteraka ny Barea, vao tafavoaka tamin’ity. Zara fa nahatafiditra ilay baolina tokana mantsy, matin’i Ryan, teo amin’ny minitra faha-19, taorian’ny “corner”, nodakan’i Carolus.

Nanjakan’ny Etiopianina, ny fihaonana. Nirindra ny tolotolotra nifarimbonan-dry Bekele Godo, kapiteny sy ry Mengistu ary i Ahmed Nasir. Sasatra ny mandrava ny fanafihana nataon’izy ireo, i Metanire sy i Morel, hany mpilalao malagasy nisongadina indrindra, tamin’ny zava-bitany.

Tsy hita mihitsy ilay rindran-dalao tsara vitan’ny Barea, tany Egypta, ny volana jolay lasa teo. Betsaka loatra ny baolina very, teo afovoan’ny kianja nisy an-dry Ibrahim Amada sy Ryan ary i Anicet. Niasa irery ihany koa i Faneva Ima, izay tsy nisy nanaraka. Hany ka tsy sarotra tamin’ireo vodilaharana etiopianina, ny nanakana ny lohalaharan’ny Barea.

Tsy nanova inoninona

Nanolo  mpilalao, i Nicolas Dupuis, teo amin’ny fizaram-potoana faharoa. Nampidirina i Dax, nisolo an’i Ryan. I Bôlida, teo amin’ny toeran’i Carolus ary i Paulin, nanolo an’i Njiva. Tsy nanova inoninona anefa izany fa mbola nitohy hatrany ny tsindry nataon’ny Etiopianina, ary indroa izy ireo no saika nahafaty baolina. Mandra-piravan’ny lalao, tsy nahatonga baolina tao anaty faritra tsy azo ivalozan-dry zareo Etiopianina, mihitsy ny Barea.

Tratra aloha ny tanjona, dia ny nahazoana isa 3, na dia nanahirana aza, ny naka izany. Dingana manaraka, ho an’ny Barea ny fihaonana, amin’i Niger, rahampitso talata. Fihaonana, hatao any Nyamey. Niger izay resin’i Côte d’Ivoire, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0, ihany koa.

Tompondaka

Hoy izy ireo

Mpanazatra ny Barea, i Nicolas Dupuis : « Tena nanao ny ho afany sy nilalao ny ekipantsika teo amin’ny 25mn voalohany…  Nisy baolina very na lasan’ny mpifanandrina indraindray. Niezaka nitazona ny tombon’isa azo isika. Ankasitraka ny mpijery marobe sy ny vahoaka malagasy manontolo. Tahaka izany koa ny mpilalao rehetra fa tena niezaka sy nanao ary niady hatramin’ny farany »

Kapitenin’ny Barea, i Abel Anicet : “Tena nanao ny Etiopeanina. Na izany aza, ny baolina maty ihany ny antsika. Hiezaka aho ny handeha lavitra kokoa noho ny zava-bitan’ny kapiteny  Faneva Ima  amin’ny fitantanana ny mpilalao . Isaorana izy tamin’ny fitarihana ny Barea, nandritra ny taona maro. Mankasitraka ny mpijery tamin’ny fihetsika nataony sy ny fanohanana

Mpanazatra Etiopianina, i Abraham : “Tena nahay ny mpanazatra “Coach” sy ny kapitenin’ny Barea tamin’ny fandrindrana ny lalao. Hain’ny mpilalao ny niaro ny tombon’isa azony na teo aza ny baolina telo, farafahakeliny tokony ho tafiditray. Manantena anefa izahay fa hibata fandresena  amin’ny lalao miverina

Kapiten’i Etiopia, i Bekele Gogo : “Fizaram-potoana faharoa vao tena tafiditra tao anaty lalao  izahay. Niezaka ny hampidi-baolina ihany, saingy tsy nahomby. Tsy tao aminay ny vintana. Mahay ny mpilalao malagasy, indrindra fa teo amin’ny fiarovan-tena ka nanahirana  anay ny namaky azy. Hitanay ny paikady amin’ny lalao any aminay”   

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique