Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsipy kanetibe – «Mondiaux 2019»: nihazo an’i Cambodge, afakomaly, ny ekipa malagasy

Nanainga, ny alakamisy lasa teo ary nihazo an’i Cambodge, ny ekipam-pirenena malagasy “junior” lehilahy sy ny “senior” vehivavy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja tsipy kanetibe. Fihaonana hanomboka ny alatsinainy 18 novambra ho avy izao. Vonona tanteraka ireo mpilalao efa-dahy sy efa-bavy hiatrika izany. Nambaran’i Hasina, anisan’ireo mpilalao mandrafitra ny vehivavy, fa efa iray volana ny nanoman-tena tany Antsirabe izy ireo. Anisan’ny nohamafisina nandritra ny fanazarantena ny fiarahana satria mila miray saina ireo mpilalao eny ambony kianja. Heveriny fa ekipa goavana sy atahorana any amin’io fihaonana io i Thaillande. Tsiahivina fa efa tompondaka lefitra eran-tany ny tenany, ny taona 2017, tany Sina.

Izao kosa vao hiatrika lalao iraisam-pirenena ireo “junior” lehilahy. Na izany aza, tsy matahotra izy ireo fa efa tsara fanomanana. Tsiahivina fa hiaro ny anaram-boninahitra azony, ny taona 2017, ry zalahy. I Madagasikara mantsy no tompondaka eran-tany farany, ho an’ity sokajy ity.

Nisaotra ny minisitera tamin’ny fanampiana ka nahafahana niatrika izao fiadiana ny ho tompondaka eran-tany izao i Moeze Amiroudine, hitondra ny delegasiona malagasy. Nampanantena fa hiezaka hitondra ny amboara hody an-tanindrazana izy ireo. Marihina fa mpanazatra ny ekipa vehivavy i Dolys raha i Nanou kosa ny an’ireo katitakely.

 

Torcelin

 

-Ekipa “junior” lehilahy : Naivo ; Iarotiana ; Tojo ; Aina

-Ekipa “senior” vehivavy : Hasina ; Mirana ; Tita ; Fetra

 

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique