Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tamberin’andraikitra sy fampandraisana andraikitra           

Tamberin’andraikitra sy fampandraisana andraikitra           

Saika mahahenika ny maro ny fahantrana efa ho lava. Nahoana? Eo, ohatra, ny afitsoky ny mpitondra nifandimby, ny fanjakazakana sy ny fanararaotan’ny vahiny mitavana amin’ny harem-pirenena… Lalim-paka sy naharitra ela ny tsy fahaiza-mitantana, ny gaboraraka, ny fitiavan-tena… Tsy hita notanisaina.

Anisan’ny fositra amin’izany ny tsy fisian’ny tamberin’andraikitry ny mpitondra amin’ny vahoaka… mampindrana fahefana azy. Saika vitavita sy tsy hitahita ho azy amin’izao ny raharaha rehefa tsy eo intsony ny mpitondra: tsy misy arakaraka, misy aza ny manararaotra mandroba. Mandra-pahoviana?

Amin’ity hoe fanovana, manomboka izao ny fanaraha-maso sy ny fitakiana tamberin’andraikitra eo amin’ny manampahefana. Na olom-boafidy io, na olom-boatendry. Eo amin’ny olom-boatendry aloha izao no tena isehoan’ny raharaha. Izay no mahatonga ny fanalana minisitra sy tale tato ho ato?

Mila jeren’ny vahoaka koa ny amin’ireo olom-boafidy ampindramany fahefana… tsy mahefa ny asany. Fandraisana andraikitra ao anatin’ny fanajana lalàna izany. Izay fandraisana andraikitry ny vahoaka izay koa no tsy nisy na tsy ampy hatramin’izay, mampanjaka ny gaboraraka, ny fahantrana…

Eo koa ny mpitondra tsy mampandray anjara ny vahoaka amin’ny raharaham-pirenena; eny, na amin’ny fampahalalana izay tokony ho fantany ihany aza. Hany ka mandeha ho azy ny  fanaovana izay saim-pantatra, ny tsy fangaraharana, ny fanararaotana na fanamparam-pahefana, ny kiantranoantrano…

Na ny vahoaka no malaina mandray andraikitra: tsy fahatokisan-tena, fahatahorana, tsy firaisankina…? Hany ka mandeha ho azy ny fiaretana amin’izay mitranga rehetra, ny samy maka ho azy, ny fikomiana rehefa tsy zaka intsony… Tsy efa mila miova sy ovaina amin’izay ve izany amin’izao?

Mila ifanaraha-maso amin’izay ny tamberin’andraikitry ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry. Tsy latsak’izany koa ny fandraisana sy ny fampandraisana andraikitra ny vahoaka ifotony. Izay raha tiana ny tena hisian’ny fampandrosoana, ialana amin’ny tsy fanarahan-dalàna, ny gaboraraka, ny fanararaotana…

Rafaly Nd. 

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique