Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hitohy  ny orambe: ahina hiakatra ny renirano

 

Nanao fanambarana ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro fa nanomboka halina, nisy ny orambe hitohy hatramin’ny rahampitso any amin’ny faritra Menabe, ny faritra Atsimo Andrefana ary ny faritra Androy. Ahina hanembantsembana ny fiainan’ny mponina andavanandro ny fiakaran’ny rano vokatr’io orambe io. Iangaviana ny mponina any amin’ireo faritra ireo handray ny fepetra mifanaraka amin’izany sy ny torohevitra omen’ny manam-pahefana any an-toerana. Misy rahateo ny sampandraharaha efa misahana ny fiomanana amin’ny loza voajanahry amin’ireny toerana ireny. Efa ao anatin’ny fotoam-pahavaratra isika izao ary avy saika isaky ny tolakandro ny orana. Eto an-dRenivohitra, efa maro sahady ny mponina sahirana amin’ny fiangonan’ny ranon’orana tsy misy ivoahany satria tsentsina ny tatatra.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique