Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanampian’ny Japoney: vidim-bary hanamboarana fotodrafirasa

Fanampian’ny Japoney: vidim-bary hanamboarana fotodrafirasa

Nanolotra fanampiana sakafo (PAA)* ny Japoney, ny 14 novambra teo tao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola. Fanampiana faha-24 momba ny sakafo azo tamin’ny Japoney. « Atao ho sompitry ny ranomasimbe Indianina i Madagasikara, saingy hatramin’izao, tsy mbola tratra ny fahavitan-tena sakafo », hoy ny masoivoho japoney, i Ichiro Ogasawara. Lasa vesatra ho an’ny kitapom-bolam-panjakana izany, mahatonga an’i Japana manampy. 6 700 t ny vary tonga, mitentina 16 miliara Ar mahery kely.

Taorian’ny tolotra nataon’ny fanjakana, efatra ny mpandraharaha voafidy hitsinjara izany sy handrotsaka ny vidiny ho “Fonds de contre valeur” ao amin’ny Tahirimbolam-panjakana. Atokana hanamboarana fotodrafitrasa ny vola voaangona. Misongadina, ohatra, ny fanamboarana PC23 manodidina ny farihin’Alaotra, ny lakandrano manondraka tanimbary. Misy ny tohodrano miasa ka mahita tombontsoa ny fianakaviana tantsaha miisa 4 450.

Eo koa ny Jica manana ny tetikasany amin’ny alalan’ny Papriz, teknika ho fanatsarana sy fampitomboana avo telo heny ny voka-bary any amin’ny faritra maro. Betsaka ireo tetikasa faritan’ny Japoney ho fampitomboana ny voka-bary. Hatramin’ny taona 1979, mitohy ny fanampian’ny governemanta japoney an’i Madagasikara, indrindra amin’ny fotodrafitrasa, toy ny lalam-pirenena, sy fanampiana vola ny fanjakana foibe ho an’ny sehatra hafa.

 

R.Mathieu

 

PAA* : Programme d’assistance alimentaire

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique