Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« MCB Tour championship »: Raikitra ny fifaninanana

« MCB Tour championship »: Raikitra ny fifaninanana

 

 Hotanterahina eto amintsika ny dingan’ny famaranana iraisam-pirenena eo amin’ny taranja golf, amin’ny alalan’ny « MCB Tour championship ». Tafiditra amin’ilay antsoina hoe « Tour europeen ». Sambany izany hatao eto amintsika eny amin’ny Golf du Rova, manomboka ny 29 novambra hatramin’ny 1 desambra ho avy izao. Marobe ireo handray anjara ho an’ireo mihoatra ny 50 taona ary manana ny maha izy azy eo amin’ity taranja golf ity. Eo ny avy any Angletera, ny avy any Frantsa, ny avy any Etazonia, ny avy any Aostralia. Hisolo tena ny Malagasy kosa Ramarozatovo Jean Baptiste, matihanina amin’ity taranja ity. Hitohy any Nosy Seychelles izany ny 3 hatramin’ny 7 desambra ho avy izao ary atsy Nosy Maorisy kosa ny 8 desambra. Hahazo tombony amin’izany ny Malagasy eo amin’ny lafiny toekarena sy fizahantany satria isaky ny telo taona ihany ny fanatanterahana ity lalao ity, araka ny nambaran’ny mpikarakara, Andrianasolo Ranaivo, sy ny filohan’ny Golf du Rova, Rabetsaroana Sylvain. Mbola hiverina eto amintsika izany any aoriana ka hotanterahina any Foulpointe, raha tsy misy ny fiovana. Tsiahivina fa higadona ny 25 novambra izao ireo mpilalao.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique