Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fihaonan’ny Barea sy i Etiopia: hamidy anio ny tapakilan’ny «gradin»

Fihaonan’ny Barea sy i Etiopia: hamidy anio ny tapakilan’ny «gradin»

Tsy hisy intsony ny famarotana tapakila mandritra ny andron’ny asabotsy hanatanterahana ny lalaon’ny Barea de Madagascar sy i Etiopia. Hamidy amin’ity zoma ity ny an’ireo hijery eny amin’ny “gradin”.

Nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Rabekoto Raoul, tamin’ny mpanao gazety tetsy Mahamasina omaly, fa amidy amin’ity zoma 15 novambra ity  ny tapakila hidirana eny amin’ny “gradin”, jifaina amin’ny vidiny 10 000 Ar. Toerana telo no hivarotana izany: ny eny amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, eny amin’ny Coliséum Antsonjombe ary eny amin’ny kianja Maki Andohatapenaka. Tsy hisy intsony fivarotana tapakila ny andron’ny asabotsy hanaovana ny lalao. Afaka mividy tapakila telo ny olona iray, saingy tapakila iray ihany no entiny miditra ao anaty kianja. Hisokatra amin’ny 6 ora maraina ny vavahady miisa fito hidirana ao Mahamasina ka hisahana ny fandriampahalemana ny mpitandro filaminana miisa 1 500, avy amin’ny polisy sy ny zandary. Entanina, araka izany, ny mpijery ho tonga alohan’ny amin’ny 12 ora antoandro. Hikatona avy hatrany ny vavahady raha vantany vao feno ny isa eny amin’ny “gradin”, 18 000.

Tsiahivina fa efa lany tamin’ny alarobia lasa teo ny tapakila ho an’ny “tribune centrale” sy ny eny amin’ny “tribunes laterales”.

Tsy azon’ny mpijery atao ny mitondra zava-maranitra sy tavoahangy fitaratra ary “briquet”, ny fitafy miendrika fampielezan-kevitra na politika, ny zava-mahadomelina. Nambaran’ny filohan’ny federasiona fa ora avy amin’ny Caf io amin’ny efatra io, manaraka ny ora GMT. Hanao ny fanamiana miloko maitso ny Barea de Madagascar, amin’io lalao rahampitso io.

 

Tompondaka

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique