Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Miavaka eny ihany…

Miavaka eny ihany…

Telo amin’ireo kandidà dimy mpifaninana ho amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra no tonga namaly ny antsoin’ny Komity iombonana ho an’ny «Teny ierana, hanompo vahoaka», komity ivondronan’ireo mpisehatra amin’ny Fiarahamonim-pirenena sy ny Ceni, tetsy Ambatonakanga, omaly. Iray amin’ireo ny kandidà laharana fahefatra, Naina Andriantsitohaina, niaraka tamin’ireo mpanolotsaina ao anatin’ny lisitra misy azy, izay nanao ho zava-dehibe, nanome lanja iny fotoana omaly iny. Amin’ny maha « teny ierana » azy, misy ny fanaovan-tsonia mariky ny fanekena ireo toe-po amam-panahy tokony hananan’ny kandidà, mialoha, mandritra, aorian’ny fifidianana, ary koa ho an’ireo kandidà voafidy.  Azo fehezina amin’izao ilay teny ierana nosoniavina : « Ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina mendrika, mihaino, mihevitra, ary manatanteraka ny filànan’ny mponina ho fampandrosoana ifotony ».

Izay kandidà tsy tonga, tsy niraharaha iny antson’ny komity mpikarakara ity  fanaovan-tsonia ny « Teny ierana… » ity izany dia kandidà sy mpanolotsaina tsy mendrika, tsy mihevitra, tsy mihaino, ary tsy mivonona hanatanteraka akory ny filàn’ny mponina ho fampandrosoana ifotony . Tsy izay ve ? Deraina manokana kosa ireo nahatsapa ny maha zava-dehibe izany e. Ho an’ny kandidà laharana fahefatra, A. Naina manokana, na nisy na tsy nisy izany fanaovan-tsonia izany, efa hita taratra fony izy vao nanao ny fanambarana ny filatsahan-kofidiny, ary nandritra izay roa herinandro nanombohan’ny fampielezan-kevitra izay ny fahamatorany, ny fahavononany, ny fahasahiany hanompo ny mpiray tanindrazana aminy, hiatrika ny fanarenana ity renivohitra ity. Azo tarafina ao anatin’ilay « Veliranon’Iarivo », mirakitra ny fandaharan’asany rahateo izany. « Veliran’Iarivo », izay hita sy tsapa ho efa tafapaka sy voarain’ny mponina, nandritra ireo fidinana ifotony teny amin’ireo boriborintany enina, mandrafitra ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Miavaka eny ihany e !

Mamy Randrian

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique