Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «FFOI 2019»: nanome 10 tapitrisa Ar ho an’ny Barea U15 ny kandidà Naina

Kitra – «FFOI 2019»: nanome 10 tapitrisa Ar ho an’ny Barea U15 ny kandidà Naina

Nanampy ny Barea de Madagascar, sokajy U15 taranja baolina kitra, ny kandidà N°4, i Naina Andriantsitohaina. Nanolotra lela-vola 10 tapitrisa Ar, ho azy ireo ny tenany, hanampiana ny saran-dalana, hiatrehan’i Madagasikara, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (FFOI 2019). Fihaonana, hotanterahina atsy amin’ny Nosy Maorisy, ny 13 ka hatramin’ny 23 novambra, ho avy izao.

Ny alatsinainy hariva lasa teo, tetsy Antanimena no nanolorany izany, tamin’ireo ankizy ao amin’ny ekipam-pirenena malagasy. Nitso-drano ny ekipa malagasy ny tenany, hitondra vokatra tsara, ho an’i Madagasikara. Nambarany fa tafiditra ao anatin’ny veliranon’Iarivo, ny fijerena manokana ny ankizy sy fanomezana sehatra azy ireo, amin’ireo fifaninanana isan-tokony.

Tsy nanadino, nisaotra ny kandidà Naina, ny tompon’andraikitry ny ekipa, tamin’ny fanomezan-tanana, nataony. Nanome toky izy fa hanao izay ho afany, handrombahana ny amboara, hody aty Madagasikara, amin’ity, “FFOI 2019”, ity.

 

Torcelin

Les commentaires sont fermées.