Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Sarona ireo valo lahy mpamaky trano sy nandroba ny vola mitentina 20 000 000 Ar, firavaka volamena iray boaty, bisikileta niampy fahitalavitra sy « lecteur » tao amin’ny tanànan’i Tranoroa, distrikan’i Beloha, ny 22 oktobra lasa teo. Fantatra fa avy ao Belavenoka, fokontanin’i Bevositre ao Bekitro, distrikan’i Bekily, ireo jiolahy nanao asa ratsy ka nokarohina avy hatrany. Ny faran’ny volana oktobra teo, tra-tehaky ny polisy izy valo lahy

niaraka amin’ireo basim-borona miisa telo sy ody isan-karazany ary mohara. Vokany, naiditra vonjimaika am-ponja ny fito amin’izy ireo raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny iray taorian’ny fitsarana.

 

Les commentaires sont fermées.