Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Mila hihoatra ny indroa miantoana ny fahamaizinana

Miverina misesisesy indray tato ho ato ny fahatapahan’ny jiro elektrika. Maizina noho izany ny tanàna sy ny any an-tokantrano. Tsy misy anefa ny fanazavana amin’ny sarabambem-bahoaka momba ny anton’ny fisehoan’izany aizina zakainy izany, ka maizimaizina araka izay ny fiketriketrehana ao an-tsain’ny maro. Etsy andaniny anefa, mitombo koa ny fanagejana ny fitsinjarana ny rano lasa miitatra any amin’ny faritra tsy fahitana izany. Fomba heverina ho rariny raha dinihana avy amin’ny tsy tokony hisian’ny fiangarana amin’ny fanaovana tombo sy ala, fahasahiranana iombonana ka rariny raha iaraha-milanja. Mazava araka izany fa mandalo fotoana maizina ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Inona ny antony? – Izay no maizina fanidroany sedrain’ny mponina.

Eo anefa rehefa fehezina ny fanazavana momba ny marina, mahazo vahana izao karazana fanazavana maizimaizina rehetra izao, miroaroa ny sain’ny vahoaka. Mitady hirona any amin’ny finoana ny fanambaran’ny mpaminany sandoka izay tsy tara amin’ny fanelezana tsaho maro karazana, milaza fanaovana fampitandremana nefa tsy manana tetika afa-tsy ny fampihorohorona, toy ny fanomezana torohevitra mikasika ny fitsinjovana andro maizina izay efa mandondona, hono, miteraka korontana an-tsain’ny maro izay efa fadiranovana eo amin’ny fiatrehana ny andro diavina.

Voalazan’ireny mpampiorohoro ireny fa ny fifampitsapan- kery manelanelana ny fitondrana sy ny mpanambola vahiny toy ny mpandraharaha ara-tsolika sy ny momba ny telefonina no nahatonga fifampisarihana tady miteraka fahasahiranana toy izao. Nanorisory ireo mpampiasa vola vahiny mitrandraka harena eto an-toerana, hono, ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondrana momba ny fanafarana entana mivantana ahankina amin’ny vondrona tsy miankina, izay hajoro eto an-toerana ary azon’ny fanjakana araha-maso akaiky. Samy manana ny fijeriny moa izany, ka ao ny milaza fa mifanipaka amin’ny fitsipiky ny fandraharahana iraisampirenena izany, ny fantatra aloha dia manelingelina ny fomban’ny mpitrandraka tombontsoa manokana izany, ka tsy maintsy hitsipaka mahery vaika nefa mangingina na avy any ambadika izy ireo.

Tsy ilaozan’ny onja hihatra amin’ny fiainana eto amin’ny nosy ny valin-taratasy, angamba vonona ny mbola hanaiky fandeferana noho izany ny maro amin’ny mponina raha toa tsy vazaha misolo vazaha miafina ambadiky ny fanaovana tsy mangarahara, no avela handimby eo amin’ny fitsetsefana tombony izay sandan’ny fihafian’ny vahoaka.


Léo Raz    
 

 

Les commentaires sont fermées.