Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampitomboana  ny vokatra: nahitana fanafodiny ny dintan’ny voasarin’Ambohijafy

Fampitomboana  ny vokatra: nahitana fanafodiny ny dintan’ny voasarin’Ambohijafy

Raha mbola namokatra voasary 1 000 t nandritra ny volana mey ny saham-boasary ao Ambohijafy, ny volana mey taona 2015, nidina ho 500 t ny taona 2016 ary tsy nisy voasary niakatra intsony tao anatin’io volana io, nanomboka ny taona 2017 no ho mankaty. Noho ny fahitany izay zava-misy izay no nahatonga ny vehivavy mpikaroka nidina ifotony nijery ny olana, araka ny fanazavan’ny vehivavy mpikaroka ao anatin’ny Ivontoerana nasionaly fampiharana ny fikarohana momba ny fanafody, Razafintsalama Haja,omaly teny Analakely nandritra ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny siansa. Tratran’ny aretina dinty ny foto-boasary ka mitarika ny fihenan’ny vokatra. Noho ny fahamainan’ny tany na koa diso mando loatra misy ny foto-boasary na ny otrikaretina mahazo azy no mitarika ny dinty miseho amin’ny sampana na ny vatan’ny voasary. Nakana santionany ny dinty ary nohadihadiana teny amin’ny laboratoara. Nalaina avy eo ny lohamenaka manitra avy amin’ny dingandingana (nolaroina singa hafa) efa fantatra amin’ny fanasitranany aretina maro ka nampiasaina nitsaboana ny dinty amin’ny voasary. Natao nandritra ny 11 herinandro ny andrana. Sitrana ny dinty amin’ny foto-boasary ka hozaraina maimaimpoana ho an’ny tantsaha mpamboly ny aladinty, manomboka anio.

Fikambanana misy mpikambana 45 ny fikambanana vehivavy sy siansa eto Madagasikara niorina teo ambany fiahian’ny Akademia malagasy ny taona 1993. Vehivavy siantifika mpisehatra amin’ny fampiroboroaboana ny asa fikarohana amin’ny lafiny maro izy ireo. Tanjona ny hanentanana ny manampahaizana hanao fikarohana ary tokony hampahafantarina ny vahoaka eto an-toerana sy any ivelany ny valin’izany fikarohana izany. Lohahevitra noraisina ho an’ny Andron’ny siansa, omaly, ny hoe “Fambolena ara-bilojika ny voasary”, araka ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana, Ramakavelo Geneviève.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.