Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Ilazana ireo tanora rehetra nisoratra anarana ho mpifaninana amin’ny fidirana mpianatra ho zandary andiany faha-75 taom-pianarana 2019 – 2020 mba hanatona eny anivon’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena nisoratana anarana, na vondron-tobim-paritra na vondron-tobim-pileovana, manomboka anio alatsinainy 11 novambra 2019 hanamarina ny fahazoan’izy ireo mandray anjara na tsia amin’izany fifaninana izany. Natao izany mba hanafainganana ny fampahafantarana ireo mpifaninana mialoha ny hahazoan’izy ireo ny fiantsoana mpiandina ofisialy izay halefa amin’ny alalan’ny paositra, araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Andrianjanaka Njatoarisoa sy ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny manamboninahitra lefitra, ny chef d’escadron Rakotonjanahary Yves.

Les commentaires sont fermées.