Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ady lova namonoana ny dadatoany: tovolahy 17 taona migadra 15 taona an-tranomaizina

Ady lova namonoana ny dadatoany: tovolahy 17 taona migadra 15 taona an-tranomaizina

Nilatsaka ny sazy  avy amin’ny fitsarana ary mavesatra ho an’i Velontsoa Donalcie, tsy ampy taona.  .  Maty nokapakapainy ny antsibe ny dadatoany noho ny  resaka ady  lova….

Niakatra teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava, ny alakamisy 7 novambra 2019 teo ilay raharaha ady tany niafara tamina vonoan’olona tao amin’ny fokontany Ambatovinaky, kaominina ambanivohitr’i Betampona, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana,ny 25 janoary 2018. Nisehoana vonoan’olona mahatsiravina nataona tovolahikely vao 16 taona monja tamin’ity raharaha ady tany ity. Tsy iza fa ny zanaka anabavin’ny niharam-boina ihany  i Velontsoa Donalcie, zanak’i Rasoa Arlette Amedée , samy voarohirohy tamin’ity raharaha ity avokoa niaraka tamina olona roa hafa. Fantatra nandritra ny famakiana ny antontan-taratasin’ady sy ny fifandaharana teo amin’ny voarohirohy sy ny mpitsara ary teo anivon’ny fampanoavana ambony fa mpianadahy iray tampo i Rasoa Arlette Amedée renin’ilay tovolahy tsy ampy taona, Velontsoa Donalcie, 17 taona amin’izao fotoam-pitsarana izao sy ilay niharam-boina (ilay dadatoany io antsoina hoe i Marcellin).  Nokapakapain’ilay tovolahikely nahavanon-doza ny antsy ity dadatoany ity noho ity resaka ady tany ity hatrany.

Niaro tena ny renin’ilay tovolahikely…

Niaiky ny heloka vitany i Velontsoa Donalcie ary nilaza izy manoloana ireo mpitsara mpanao famotorana fa anisan’ny nahatonga izao vonoan’olona izao noho io dadatoany io misy olana eo amin’ny reniny amin’ny ady lova. Nilaza izy fa hoe nampirisihin-dreniny hamono ny dadatoany ka novelesiny tampoka tamin’ny antsibe ilay niharam-boina ary notetitetehiny rehefa niaraka tany anaty ala izy ireo. Niezaka niaro tena kosa anefa ny reniny ary nilaza manoloana ny fitsarana fa tsy naniraka an-janany hanao io famonoana olona io ary tsy tao an-toerana rahateo izy nandritra ny trangan-javatra fa mamonjy tsena any Fenoarivo Atsinanana. Toy izany rahateo avokoa ireo olona efatra voasaringotra tamin’ity raharaha vonoan’olona ity. Vokany, nilatsaka ny didy avy amin’ny mpitsara taorian’ny adihevitra sy fifandaharaha rehetra. Figadrana 15 taona asa an-terivozoana sazy mihatra am-ponja i Velontsoa Donalcie.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.