Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tranoroa Soavinandriana: olona telo nahatrarana paraky gasy 204 kg

Tranoroa Soavinandriana: olona telo nahatrarana paraky gasy 204 kg

Voasambotry ny polisy avy Soavinandriana, afakomaly teo amin’ny sakana tao Tranoroa Soavinandritra ny telo lahy niaraka tamin’ny paraky gasy milanja 204 kg. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, nahazo loharanom-baovao izy ireo momba ny fisiana andian’olona mitatitra vovoka paraky gasy hoentina hiakatra aty an-drenivohitra. Tamin’ny 7 ora maraina, voasakana ilay voalaza fa nitondra ireto vovoka paraky gasy ireto. Rehefa nosavaina ilay fiara dia nahatrarana paraky gasy 204 kg natao tanaty gony maromaro. Nohamafisin’ny polisy fa tsy nahitana taratasy fahazoan-dalana mitondra sy mivarotra ireo tany amin’ireo telo lahy milaza ho tompon’ny entana. Nogiazan’ny polisy avy hatrany ireo entana ireo ary efa natolotra ny Ofmata. Fantatra nandritra ny famotorana azy telo lahy ireto fa tsy vao sambany izy ireo no mitondra vovo-paraky gasy an-tsokosoko toy izao fa efa hatry ny ela, saingy izao vao tratran’ny polisy.

Jean Claude

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique