Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sekoly miady amin’ny tazomoka: notolorana loka ireo 37 mendrika

Sekoly miady amin’ny tazomoka: notolorana loka ireo 37 mendrika

Sekoly 37 tamin’ireo 200 nandray anjara tamin’ny fifaninanana miady amin’ny tazomoka no mendrika ka notolorana loka, omaly teny amin’ny INSPC Mahamasina.

Amin’ny olona telo matin’ny aretina tazomoka, ankizy latsaky ny 14 taona ny roa amin’ireo. “Zava-dehibe ny fifaninanana tahaka izao miaraka amin’ny fanentanana eny anivon’ny sekoly satria fomba iray entina miady miaraka amin’ny fampiharan’ny ankizy mivantana ny lesona azony any an-dakilasy”, araka ny fanazavan’ny talen’ny fisorohana ara-pahasalamana, ao amin’ny miisiteran’ny Fahasalamana, Randriantsarafara Mamy. Natokana ho an’ny sekoly amin’ny ambaratonga fototra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana teny anivon’ny renivohi-paritany ny fifaninanana. Namorona tonokalo, tantara na horonantsarimihetsika ny ankizy mpianatra mitondra fanentanana samihafa. Teto Antananarivo, EPP sivy no nandray anjara ka nisongadina ny EPP Antanimena III sy Antetezana afovoany. Fitaovam-panentanana sy fanadiovana no natolotra ny sekoly ho fanohizana ny fanentanana iadina amin’ny aretina tazomoka.

Nanohana ny fifaninanana ny USAID, Access, PSI, ASOS…nanampy koa ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Amin’ity taom-pianarana ity, entanina ho sekoly miady amin’ny tazomoka avokoa ny sekoly fanabeazana fototra rehetra.

Vonjy A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique