Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpandraharaha, Bebotsy: « Aoka tsy hifanakorontana isika »

Mpandraharaha, Bebotsy: « Aoka tsy hifanakorontana isika »

Vory lanona tetsy Anosy, afakomaly, ireo mpitatitra avy amin’ny faritra maro, nitondra ny heviny manoloana ny olana eo anivon’ny tranom-piantohana Mama.  « Misy ny lalàna ka aoka tsy hokorontanina ny fitantanana. Mampitandrina izahay fa hihetsika raha mbola mitohy izao. Avelao hiasa ny efa eo amin’ny filankevi-pitantanana, hahavita ny fe-potoana », hoy ny mpitatritra avy any avaratra, i Bebotsy. Nohitsiny fa miova isaky  ny efa-taona  izany ka tokony ho samy miandry ary afaka mirotsaka rehefa mahafeno  fepetra. « Tsy azo ekena ny fihetsiky ny ampahan’olona sasany. Efa nantsoina intelo izy ireo  tamin’ny fivoriambe fa tsy tonga…  Izao vao taitra. Filam-baniny  tsotra izao izany”,  hoy  ihany izy. Natsidiny sahady koa fa hanao fivoriambe ireo mpitatitra avy any amin’ny faritra  rehetra  ary haka fanapahan-kevitra raha mitohy izao olana  izao.  Ankoatra izany,  notsiahiviny fa tsy misy trosa ny Mama. Nanamafy izany avokoa ireo  sokajina mpitatitra niatrika ny fihaonana.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique