Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

KMS 2019: ampiasaina ny vokatra azo

KMS 2019: ampiasaina ny vokatra azo

Tontosaina anio tontolo andro eny amin’ny Haitsiron’Iarivo eny Alarobia ny Kônferansa momba ny soratra (KMS 2019) karakarain’ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko (KHT). Tsy hijanona hatreo amin’ny velakevitra sy fifanakalozan-kevitra ihany ny hetsika fa harafitra anaty boky ho azo ampiasain’ny olon-drehetra (mpianatra, mpampianatra, mpikaroka, sns).

Ny mpandaha-teny sy ny lohahevitra :

Gaby kely: « Ny tsipelina sy ny fitsipi-pitenenana manoloana ny asasoratra ankehitriny ». – Jirom-panahy : « “Licence poétique” » – Mihanta : « Ny asasoratra ankehitriny: ny firoborobony, ny olany, ny vahaolana azo aroso » – Poety Rebely : « Teknika sy torohevitra fomba famoronana slam-poezia ». – Voniary: « Teny Gasy 2.0: Ny teny malagasy any amin’ny Aterineto » – Ravorombato: « Ny tantara an’onjampeo: Ny tantarany, ny anjara toerany, ny olana sedrainy ».

HaRy Razafindrakoto

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique