Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hiragasy goavambe: hifampitady Rainitelo sy RaPaulson

Hiragasy goavambe: hifampitady Rainitelo sy RaPaulson

Raikitra! Adin’ny samy goavana ny rahampitso. Raha eo amin’ny tantaran’ny hiragasy, tarika mifankahalala tsara Rainitelo sy RaPaulson. Tolona ambony vantolampy ny azy roa ireto…

Efa nisy ny fifanandrinana tany ho any ! Ankehitriny, nifanao fotoana etsy amin’ny kianjan’ny Kanto etsy mahamasina indray ny tarika Rainitelo avy any Andohavary sy ny tarika Rapaulson avy any Mandiavato, rahampitso manomboka amin’ny 10 ora maraina. Adin-kiragasy goavambe izy ity satria samy hiaro ny voninahiny ny tarika tsirairay. Eo rahateo koa ilay traikefa matanjaka ananan-dry Rainitelo sy RaPaulson rehefa miatrika ady goavana tahaka izao, raha ny fanazavan’i Dadafara. Ho an’ity mpamokatra sy mpikarakara ny tontolon’ny hiragasy ity : « tsy hifampitsitsy ny tarika roa tonta » !

Marihina fa hivoaka eny an-toerana mandritra io adin-kiragasy goavambe io ihany koa ny rakitsary (DVD) telo izay efa andrasan’ny mpitia hiragasy maro. Ny tarika Rasoalalao Kavia hamoaka ny DVD « Ianao irery dia ho aiza eo fa izay fanaon’ny olona atao ». Ny tarika Ramilison Besigara Zanany hamoaka ny DVD renihira « Ampitovio ny tandem dia tsy misy ny blem ». Ny renihira « Mamandri-tena ny olombelona ka voa amin’ny ataony » kosa ny DVD havoakan’ny tarika Rainitelo avy any Andohavary.

« Manentana ny olon-drehetra, indrindra fa ny tanora hijery ny adin-kiragasy goavambe tahaka izao, satria, aza hadinoina fa fitaizana tsara sy mahasoa no azo avy amin’ny hiragasy », hoy hatrany i Dadafara, omaly.

HaRy Razafindrakoto

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique