Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Foibe fitsarana fiarakodia: nandalo fitsirihana ara-teknika koa ireo fiaran’ny zandary

Nandalo fitsirihana ara-teknika teny amin’ny ivontoerana fitsarana fiarakodia By-Pass/Alasora, omaly ireo fiarakodia ampiasain’ny zandarimariam-pirenena. Miisa 30 ireo fiaran’ny zandary efa nadalo fitsirihana ka anisan’ireo ny teo anivon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg) sy ny foibe fitsarana fiarakodia (DGSR) ka dimy amin’ireo fiara nandalo fitsirihana no tsy tomombana ara-teknika (Inapte) ary tokony hamboarina alohan’ny “contre visite” izay vao afaka miasa. Marihina fa 852 ny isan’ireo fiaram-panjakana nandalo fitsirihana ara-teknika ka 77 tamin’ireo no tsy tomombana ara-teknika (inapte). Araka ny voalazan’ny didim-panjakana laharana faha 71-138, ny 23 marsa 1971, andininy R. 124 andalana faha-5 sy ao amin’ny andininy R.260 fizarana faha-3 izay nohamafisin’ny filankevitry ny governemanta, ny alarobia 18 septambra 2019 teo, ary araka ny toromariky ny Seg fa ny fiarakodiam-panjakana rehetra ao anatin’izany ireo fiaran’ny zandarimariam-pirenena dia tsy maintsy atao fitsirihana ara-teknika avokoa.

J.C

 

 

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique