Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

FJKM Ambatolampy Antehiroka Fitiavana: mankalaza ny jobily faha-150 ijoroany

FJKM Ambatolampy Antehiroka Fitiavana: mankalaza ny jobily faha-150 ijoroany

Notanterahina, ny alarobia teo, ny ivon’ny fankalazana ny faha-150 taon’ny FJKM Ambatolampy Antehiroka Fitiavana, niarahana tamin’ny synodam-paritanin’Antananarivo Andrefana (SPAA10), notarihin’ny mpitandrina Razafindramanitra Nestor.

Tao anatin’ny dimy taona ny nanomanana izao jobily faha-150 taon’ny fiangonana izao raha ny voalazan’ny filohan’ny komitin’ny fankalazana, Rakotoarisoa Henri. Nanaovana ezaka manokana ny fanadiovana ny fiangonana atiny sy ivelany sy ny fanavaozana ny varavarankely.

Eo koa ny vina 10 taon’ny mpitandrina, Ravelonarivo Cyriaque, ka anisan’ny nisongadina ny fahazoana tany mirefy 2 ha eny Anjomoka. Kasaina hanaovana fidiram-bola maharitra ho an’ny fiangonana izany rehefa voajary. Misy ihany koa ny fananganana fiangonana any Marovato, hanaovana indray ezaka manokana.

Mahatratra 3 000 ny mpino kristianina ao amin’ny FJKM Ambatolampy Antehiroka Fitiavana amin’izao. Niroborobo ny fiangonana.

Hotanterahina rahapitso alahady 10 novambra kosa ny fetin-jobily faha-150 taona iarahana amin’ireo mpianakavin’ny finoana rehetra ao am-piangonana ka hanasana ireo taranaka sy zanaka am-pielezana rehetra hiara-hiombom-bavaka.

Tatiana A

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique