Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fizahantany: liana aty Madagasikara ny any India

Fizahantany: liana aty Madagasikara ny any India

Nanao iraka tany amin’ny tanàn-dehibe efatra (New Delhi, Mumbai, Bangalore, Chennai) any India ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM), ny 21 hatramin’ny 24 oktobra teo. Nomena ny lohahevitra hoe “Madagascar Tourism Roadshow” ity fitsidihana ity, niarahany tamin’ny Air Madagascar, ny Air Austral, ny Tsaradia ary ny Air Mauritius. Nampahafantarina ireo orinasa sy mpandraharaha misehatra amin’ny fizahantany indianina ny fizahantany aty Madagasikara sady niditra eo amin’ny tsena indianina.

Nahomby ny dia, satria niisa 373 ny Tour operateurs sy ny mpikarakara mpizahatany nihaona tamin’ny ONTM (87 tany New Delhi, 85 Mumbai, 96 Bangalore, 102 Chennai). Anisan’ny nahaliana ny Indianina ny mikasika ny fomba fandraisana ny mpizahatany indianina, toy ny teny anglisy sy indianina, ny sakafo indianina,…. Eo koa ny fotodrafitrasa fandraisana ny mpizahatany aty Madagasikara, ny zotra fiaramanidina eo amin’ny firenena roa tonta. Nampitain’ny fampahalalam-baovao sy ny gazety boky iraisam-pirenena matihanina amin’ny fizahantany ity hetsika nataon’ny ONTM ity. Nisy koa ny fandefasana horonan-tsary mikasika an’i Madagasikara tany amin’ny efitrano sarimihetsika indianina. Eo koa ny fanapariahana amin’ny tambajotran-tsosialy sy ny internet. Hisy matihanina amin’ny fizahantany indianina manodidina ny 40 ho avy aty Madagasikara, ato anatin’ny efa-bolana ho avy.

Njaka A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique