Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Firavahana: nametraka fanamby i Naina

Firavahana: nametraka fanamby i Naina

Kandidà ben’ny Tanàna an’ny antoko Malagasy miara-miainga, any amin’ny kaominina Firavahana, Fenoarivo Be, Randrianantenaina Cyriaque Donat na i Naina. Laharana fahatelo ao anatin’ny biletà tokana izy sy ny ireo mpanolotsainy. Zanaky ny tanàna ny tenany ary mahalala ny olan’ny mponina. Manana traikefa amin’ny fitantanana ny kaominina. Efa nitantana  nandritra ny taona nifandimby rahateo ny reniny. “Afaka miara-miasa sy misokatra isika ary hatrany ampitan-dranomasina aza… Hatsangana ny fotodrafitrasa toy ny tetezana, ny CSB, ny sekoly ary ny jiro ho an’ny kaominina”, hoy izy. Homena fitaovana ny tanora eo amin’ny fanatanjahantena. Hapetraka ny paikadin’ny fandriampahalemana.

Efa nataony ny fikarakarana ny kara-tany faobe ka nahatratra 400 mahery ireo voazara tamin’izany. Nanolotra boky ho an’ny lycée sy ny tsy miankina ary ny CEG koa na mbola mpianatra aza izy tamin’izany.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique